Discours de Mme la Présidente Christine RAZANAMAHASOA lors de la cérémonie d’ouverture de la session extraordinaire du 04 Mars 2020

Discours de Mme la Présidente Christine RAZANAMAHASOA lors de la cérémonie d’ouverture de la session extraordinaire du 04 Mars 2020

Tompokolahy sy Tompokovavy.
Raisina am-pifaliana araham-pahavononana indray ankehitriny ny andraikitra, hanokatra amin’ny fomba ofisialy, ny Fotoam-pivoriana tsy ara-potoana voalohany, hatrehin’ny Antenimierampirenena amin’ity taona ity. Izao dia manaporofo sahady fa fotoanan’ny asa tokoa ity taona 2020 ity, ary santatr’ireo maro mbola ho hatrehina ihany izao, satria hiasa tokoa isika.
Isaorana lehibe dia lehibe Andriamanitra noho izany, nitahy sy mbola hitantana ny diantsika.

Mialohan’ny tafa àry, ho fiandohan-dahateny; dia mamelà ahy hianareo hanaja sy hanome voninahitra ny iray trano, tonga manotrona izao lanonana izao.
Misaotra e! Mankasitraka indrindra! Na vahiny izany na tompon-trano, tonga mavitrika etoana, miara-misalahy eto indray, hiatrika ny adidy napetraky ny Firenena amintsika.
Maso mitily amin-tava manatrika no mahatsinjo anareo vahiny ankehitriny. Koa miarahaba Tompoko; aminareo ny haja, saloranareo ny voninahitra, ka mendrika ny tolorana ny arahaba mialoha.

Isika Solombavambahoaka kosa, izay tompon-draharaha rahateo, dia atao arahaban-dravorona e! seranina ianareo ka seranina, fa ny foko dia faly mahita anareo. Koa mandrosoa hasina daholo ary Tompoko.
Tompokolahy sy Tompokovavy!
Izay no ela; fa araky ny Didim-panjakàna izay novakian’ny mpitan-tsoratra tamintsika teo, dia mazava ny anton’izao fotoam-pivoriana tsy ara-potoana atrehin’ny Solombavambahoaka manomboka androany izao. Mety samy hanana izay hiheverany azy, ao ny mety hitsinjaka fa hoe naharesy fa vokatry ny fitoriana nataony ny anton’izao fivoriana izao. Aminay kosa raha ny eo amin’ny lafiny Lalàna dia misy azo iadin-kevitra tsara mihintsy, saingy noho ny fanajàna ny foto-kevitry ny fisaraham-pahefana, satria izay no nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana dia atrehina aloha.
Indreto eo isika Solombavambahoaka, mpiantafika vita sedra, ka tsy hatahotra izay mitsanga-kiatrika amin’izay Lahadinika hiroso eto. Tsy hilaza miara-mahita, tahaka ny adin’ombilahy an-tsena intsony aho, ny amin’ny tantaran’ireto Didy hitsivolana ireto; fa ianareo teo foana ka tsy hatoro fa mahalala. Olona azo itokisana izany Solombavambahoaka izany, ka mahay sy mahafantatra tsara ny lalan-kizorany, hilaminan’ny Firenena sy handrosoan’ny fianam-bahoaka.
<< Mahakasika izay fanajàna ny Lalàna izay ihany dia adidin’ny Andrimpanjakàna tsirairay ny manaja ny Lalàna velona eto amin’ny Firenena. Tokony ho loha-laharana amin’izany ny Andrimpanjakàna mpanao Lalàna. Misy anefa ny indro kely tsara hampahatsiahivina etoana ary anisan’ny mampikatso izay asa fanaovan-dalàna eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Fihetsika izay mifanohitra amin’ny Andininy Faha 96 ny Lalàmpanorenana, izay mandidy ny Antenimiera roa tonta hanefa ny fifezivezena (navette) amin’ireo Tolo-dalàna na Volavolan-dalàna dinihin’izy ireo avy.
Amin’izao fotoana izao anefa dia Tolo-dalàna miisa Dimy (05) no mikatso any amin’ny Antenimieran-doholona. Ny sasany amin’izy ireo dia efa tamin’ny taona 2016 no nahatongavany tany. Volavolan-dalàna miisa Telo (03) koa no mbola any ary ny ela indrindra tamin’ireo dia tamin’ny taona 2018.
Koa aoka isika fatra mpanenjika sy mpitory no tokony hanaja voalohany ny Lalàmpanorenana.
<<
Izay ny amin’iny, fa raha hanao jery todika fohy kosa isika mahakasika ny fiainam-pirenena tato ho ato, dia misy ihany ny azo ambara.
Manoloana izao fanatrehan’ireto Solombavambahoakan’i Madagasikara ireto, sy amin’ny anaran’ny Antenimierampirena iray manontolo; dia heverinay fa mety raha mamerina ny fankaherezana ireo mpiray Tanindrazana niharan’ny mafy sy ny loza, nandritra ireny vokatry ny andro ratsy nifanesisesy tany amin’ny Faritra maro nanerana ny Nosy ireny. Tao koa ny vokatry ny hain-tany sy ny kéré tany amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy.
Isaorana ny Fitondram-panjakàna, notarihan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA; nahay niatrika mivantana sy ara-potoana ny fahavoazana tamin’izany. Ekena fa mbola tsy miravina tanteraka ny takaitra navelan’ilay andro ratsy, saingy tsapa sy hita kosa fa misy ny ezaka handravonana azy haingana.
Etsy an-kilany, manoaloana izany, dia mahazendana ihany ny toe-tsaina nasetrin’ny Malagasy sasany niatrehana ireny loza ireny. Aminay mantsy dia tsy tokony nisy nidiran’ny pôlitika mihintsy ny fahavoazana fa voajanahary ireny sy vokatry ny nataon-draolombelona ihany koa.
Raha ny rano be no resahina, dia vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, izay niteraka fiovaovan’ny toetrandro.
Ny tsy fisian’ny pôlitika maty paika maharitra kosa, no mbola nandovàna sy tsy nahafehezana hatramin’izao ny kéré.
Misy anefa ireo izay to-fo, ka faly hisian’ny loza, sitrany ahay ahafahana manome tsiny ny mpitondra. Ary izay fihetsika rehetra atao hiatrehana ny voina, dia nahitàna tsikera avokoa. Very tanteraka ny Soatoavina Malagasy: ilay mifampitsinjo, mifanavotra, miray hina; ka tao ireo nanao vain-drahalahy tsy mba maharary.
Tsapa tato ho ato fa tena mivoana tanteraka ny fanaovana pôlitika eto amintsika, fa lasa mifototra amin’ny fifanaratsiana sy fankahalàna ny fivoizan-kevitra, indrindra fa ny any amin’ny Tamban-jotra sosialy. Diso fahavalo anefa isika, fa ny tena fahavalo dia ny fahantrana irery ihany. Ny ady sy ny tolona momba an’io no tokony ifanotofan’ny soso-kevitra, fa tsy olona na Antoko akory. Rehefa tonga indray moa ny vanim-potoanan’ny fifidianana, zavatra hafa izay.
Raha jerena anefa ny sehatra tokony nahitana ny mpanao pôlitika dia toa tsy tazana tany izy ireo. Tsy inona izany fa ny mahakasika ny fanavaozana ny lisitra elektôraly. Manana anjara lehibe handray anjara sy hanara-maso ny amin’io mantsy isika mpanao pôlitika sy ny Fiarahamonim-pirenena, isaky ny misokatra ny fanavaozana izany lisitra izany. Ka nahavita io andraikitra io tokoa ve isika?
Nanambara tokoa ny CENI tamin’ny herinandro lasa teo, fa maro ireo anarana niverina indroa na (doublon) sy fitoviana laharan-karapanondro tao anaty lisitra. Ny fanontaniana mipetraka eto dia ny hoe: fa maninona no izao izany vao hita? Ary tamin’ny vanim-potoana tahaka ny ahoana sy tamin’ny andron’iza no nandrafetana io lisitra io? Koa raha izany no nisy, dia iza no tompon’andraikitra voalohany? sa meaculpa ve io?
Maro tokoa ny Adidy iaraha-manana ary andraikitra ifampizaràna eto amin’ity Firenena ity. Ka na tsy mitovy aza ny hevitra, dia aoka kosa samy hahatsapa tena amin’izay tandrify azy, fa reraka loatra ny vahoaka noho ny adisanina isan-karazany tsy mitondra tombontsoa.
Mahonena anie Tompoko ny mijery ireo rava fananana nohariana tao anatin’ny taona maro, namoy hava-tiana; saingy mangina izy nohon’ny fahendreny; kalon’ilay moana hono; ao am-po no mametsovetso.
Raha ny fantatra dia mbola misokatra hatrany ny fandraisan’ny BNGRC ny fanampiana ho an’ireo izay maniry ny hanao izany, ka amporisihina eto ny mpiray Tanindrazana hiroso amin’io tolo-tànana io fa voin-kava-mahatratra.
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Izay no tsy aritra, amin’ny maha fon-dReny dia mafana ny fo rehefa ny mpiray Tanindrazana no mizaka ny mafy; ka ialan-tsiny raha somary nivalampatra kely. Fa raha hitodika farany amin’ny raharaham-pirenena ihany, dia miarahaba ny Governemanta vaovao izay manatrik’eto, indrindra ireo mpikambana vaovao mandrafitra izany.
Raha dinihina dia mitodika kokoa any amin’ny Governemanta teknisianina no misy ankehitriny. Mandefitra izany ny mpanao plitika, indrindra ny mpiara-dia ara-pôlitika. Tsy maninona anefa raha izay no hahasoa ny Firenena. Noho izany dia miandrandra vokatra betsaka sy tsara avy aminareo ny vahoaka. Mila mafampàna amin’izay ny fampiharana ny PEM avy amin’ny Vina IEM, ary mila mihazakazaka amin’izay koa ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena. TAIRO AMIN’IZAY ARY FA AZA MITAREDRETRA, FA ETO IZAHAY KITRO HIFAHARANAREO. Fotoanan’ny asa rahateo koa ity taona ity, araka ny teny efa fandré ombieny ombieny, ka ianareo izao no mpitarika sy filamatra ny amin’izany. Mankahery sy mitsodrano anareo ary izahay Tompoko. Mahaleova mahalasàna mba hahomby amin’izay kasaina sy hatao.

Tompokolahy sy Tompokovavy.
Antonony kosa angamba izay raha Lahateny. Tsy hoe nihenjana akory sanatria, fa nisarika antsika rehetra kosa hibanjina hatrany ny soa iombonana sy ny soatoavina maha-Malagasy. Tsy ny mpanao pôlitika na ny mpanohitra irery ihany no niantefan’ny hafatra; fa indrindra koa isika mpitondra sy ny vahoaka.
Mila ialàna ny fironan-kevitra tsy mampandroso. Tsy aleo ve misy rony miara-misotro; misy ventiny miara-mitsako. Ny afo mirehitra iaraha-mamindro ary ny hatsiaka mamanala, iaraha-miaritra. Izay ilay atao hoe mifanome tanana, miray hina ao anaty fihavanana sy ny fahasamihafàna.

Eto am-pamaranana ary, dia manainga antsika Solombavambahoaka mba hampiseho fahavitrihana sy fahavononana ary indrindra fifantohana; amin’ity fotoam-pivoriana tsy ara-potoana, atrehintsika manomboka anio ity.

Misaotra ny rehetra naharitra nihaino hatramin’ny farany, ary mamerina ny fankasitrahana tamin’izao fahatongavana sy fanotronana izao.
Misaotra Tompokolahy.
Mankasitraka Tompokovavy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *