Notanterahina teto Antananarivo ny 20 ka hatramin’ny 22 mey 2026 ny fivoriamben’ny Fikambanan’ireo Antenimieran’ny Firenena mpikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (AP-COI). Nokarakaraina tao anatin’ny tetikasa « Gouvernance, Paix et Stabilité » (GPS) izay tanterahin’ny COI ity fihaonana isam-paritra ity, ka nampivondrona ireo solontenan’ny Antenimiera mpikambana ao amin’ny AP-COI hifanakalo hevitra. Araka izany dia momba ireo lohahevitra stratejika mifandraika amin’ny hoavin’ny fiaraha-miasa parlemantera eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina no nodinihina. Anisan’izany ny fampaharetana ny AP-COI, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny AP-COI sy ny COI, ary ny vina hanamafisana ny Parlemantan’ny Tanora eto amin’ny Indianocéanie (PRJIO).
 
Ny delegasiona malagasy eo anivon’ny AP-COI dia ahitana ny solombavambahoaka RAFIDIMANANA Narson, RAHOLIARIJAONA Harson ary Nadine ANDRIANASOLO.
Nandritra ity fivoriambe ity ihany koa no nanatanterahana seminera natokana ho an’ny fanamby ateraky ny ilon-tsaina artifisialy (IA) eo amin’ny fitantanana, izay nampivondrona ireo solontena parlemantera sy manam-pahaizana avy amin’ny faritra.
 
Nandray anjara tamin’ity seminera ity ny Antenimierampirenena malagasy tamin’ny alalan’ny fandraisan’anjaran’ny Solombavambahoaka RAMANANJARASOA Clarisse Eugénie, Filohan’ny Vaomieran’ny Fampandrosoana Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, sy Andriamatoa RAZAFIARIJAONA Samoela, Tale misahana ny Rafitra Informatika eto amin’ny Antenimierampirenena.
 
Nifantoka tamin’ireo lafiny ara-panjakana, ara-dalàna ary ara-teknika mifandraika amin’ny ilon-tsaina artifisialy ny fifanakalozan-kevitra, ary koa ireo fanamby ateraky ny fiovàna nomerika ho an’ireo andrim-panjakana sy antenimiera eto amin’ny faritra.
 
Nandray anjara mavitrika tamin’ireo dinika ireo ny Antenimierampirenena malagasy, ka nanamafy indray ny fahavononany hampiroborobo ny fifampiresahana eo amin’ny faritra sy hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andrim-panjakana eto amin’ny Indianocéanie