Nolanian'ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe androany 28 mey 2026 fa ahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fifidianana ireo solontena roa avy amin'ny Antenimierampirenena eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.
Nofidiana taorian'izay kosa ireo Filohan'ny vaomiera maharitra. Ireto avy izy ireo:
1. Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena : JAOZANDRY René
2. Vaomieran’ny Raharaham-bahiny : MANASOA Donat Tang
3. Vaomieran’ny Lalàna : MAHARANTE Jean de Dieu
4. Vaomieran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany : RAJOELINA Seth
5. Vaomieran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola : RAFIDIMANANA Narison
6. Vaomieran’ny Atitany : RAZAFIMAHEFA Tianarivelo
7. Vaomieran’ny Filaminam-bahoaka : NAKANY Charly Zafimagnely
8. Vaomieran’ny Indostria : NOURDINE Chabani
9. Vaomieran’ny Fambolena sy Fiompiana : RAZAFINDRABARY Narson Seth
10. Vaomieran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika : RAMILISON Andriamampionona Nomenjanahary
11. Vaomieran’ny Fanabeazam-pirenena : HANOGNONA Hervé
12. Vaomieran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa : RANDRIANANTENAINA Olivier Anthony José
13. Vaomieran’ny Fahasalamam-bahoaka sy Fandrindram-piterahana : Dokotera RAJAOBELINA Lova Herizo
14. Vaomieran’ny Mponina sy Firaisankina : SYLVIE Liva Gervais
15. Vaomieran’ny Fizahantany sy Taozavatra : RANARIVELO Lucien
16. Vaomieran’ny Fampandrosoana Nomerika, Paositra ary Fifandraisan-davitra : RAMANANJARASOA Clarisse Eugénie
17. Vaomieran’ny Angovo sy Akoranafo ary ny Fanapariahana herinaratra eny ambanivohitra sy ho an’ny tokantrano : ANDRIANAMBENANA Velomihaotra Painchard
18. Vaomieran’ny Asa vaventy : RAMANANARIVO Orlando
19. Vaomieran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro : RAZAFITSIALA Velomanana Solomampionona
20. Vaomieran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana : ANDRIANIRINA Narcis
21. Vaomieran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana : SAORY Christian
22. Vaomieran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga : RAKOTOMALALA Biri Golbert
23. Vaomieran’ny Harena ankibon’ny tany : RATSIMANDRIONA Aida Hardy
24. Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina : RATSIRAKA Sophie
25. Vaomieran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : RAZAFINIMARO Désiré
26. Vaomieran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy : RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin Benenitra
27. Vaomieran’ny Zandarimariam-pirenena : MARINDRY Andry Rasolohery
28. Vaomieran’ny Tanàna Vaovao sy ny Fonena ary ny Fanajariana ny Tany : RASOANIRINA Marcelline
29. Vaomieran’ny Fitantanana mahomby sy fangaharahana, ny Tamberin’andraikitra ary ny Ady amin’ny Kolikoly : VELONJARA Théophiline
30. Vaomieran’ny Varotra : RANDRIAMALALA Thony
31. Vaomieran’ny Fanombanana ny Politikam-panjakana : RAZAFINDRIATSARA Jonhson Anatol
32. Vaomieran’ny Tontolon’ny Fandraharahana, ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana ary ny Fampiasam-bola : RATOLOJANAHARY Arsène
Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola : RADAFINDRANARO Rijaniaina Thierry.
Ankoatra izay dia nisy filohan’ny vaomiera telo hafa notendrena, na dia tsy voafaritra ao anatin’ny Fitsipika Anatiny aza izany. FRANÇOIS Jean Michel ho an’ny vaomieran’ny fanavaozana ifotony, RAKOTOMALALA Miarintsoa ho an’ny vaomieran’ny fanavaozana ifotony ho an’ny tanora, MENAVOLO Alban ho an'ny vaomieran'ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana ary RAYMOND ho an’ny vaomieran’ny fiompiana.