Manana anjara andraikitra goavana ny solombavambahoaka manoloana ny fahalalahana maneho hevitra eo amin’ny tany sy ny firenena. Miainga any amin’ny famolavolana sy ny fanolorana ny lalàna izany.
Niompana tamin’izay indrindra ny atrikasa mikasika ny fifanakalozan-kevitra momba ny fakan-kevitra natao hanitsiana ny lalàna mifehy ny fanehoan-kevitra sy ny serasera, izay notanterahina ny 1 aprily 2026 tao amin’ny Hotel Carlton Anosy.
Voakasika voalohany ao anatin’ny fahalalahana maneho hevitra sy mamoaka vaovao sy fampahafantarana ny mpanao gazety.
Mampahafantatra, manabe, mampita, ireo no andraikitra lehibe sahaniny, izay hita fa mivoana amin’izao fotoana izao noho ny fitsabahan’ireo rehetra misora-tena ho mitana io anjara asa io, raha ny fanehoan-kevitra voaray. Tsy voahaja araka izany ireo lalàna mahakasika ny fahalalahana maneho hevitra. Tsy voahaja intsony ireo éthique sy déontologie, ary tsy voahavaka ny atao hoe mpanao gazety, influenceur, lanceur d’alertes eo anivon’ny tambazotra-tserasera, izay anisan’ny mampisavorovoro ny sain’ny mpanara-baovao sy mampivoana ny lafiny fanabeazana ho an’ny olom-pirenena. Araka ny dinika sy ny fanehoan-kevitra ary soso-kevitra naroso nandritra ity atrikasa ity, dia miainga any amin’ny fanabeazana any an-tsekoly, ny fanomezana fampiofanana ireo mpanao gazety, ny fametrahana lalàna mazava sy mifanaraka araka ny tokony ho izy mba hampiabo ny lafiny maha-olona, fanabeazana, fampitana ary indrindra ny toetsaina tokony ananan’ny olom-pirenena, ka ny fampitana omen’ny mpanao gazety no anisan’ny fototra ho an’ny fanabezana ara-tsaina.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny lalàna ho an’ny fahafahana maneho hevitra ny fametrahana rafitra ara-piarovana sy araky ny lalàna ho an’ny asa fanaovan-gazety. Teo koa ny soso-kevitra niompana tamin’ny fametrahana rafitra ara-pitsarana manokana ho an’ny mpanao gazety.
Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity, ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ao anatin’ny Vaomieran’ny Serasera, ny Vaomiera momba ny lalàna ary ny Vaomieran’ny paositra sy fifandraisan-davitra ary teknolojia vaovao, ireo solotenan’ny mpanao gazety, mpisolovava, ny PNUD, Ny Union Inter Parlementaire, ny Nations-Unies, ireo mpikambana eo anivon’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ireo solontena eo anivon’ny Unesco, notarihin’i Dr Joan Barata ary ireo mpikambana ao amin’ny Comité ad'hoc miara miasa amin’ny Ministeran’ny serasera sy kolontsaina.
Tonga nanome voninahitra ity atrikasa ity ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar FENOSOA Mandrindrarivony, ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’i Toliara, Marco TSARADIA izay nisolo tena ny Filohan’ny Antenimierampirenena.