Nihaona tamin-dRamatoa Stephanie C. Arnold, Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikanina androany alakamisy faha-19 martsa 2029 teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Filohan’ny Antenimierampirenena Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny.
Fifampidinihana momba ny fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia no votoatin-dresaka. Nohamafisina nandritra izany ary fa efa mivelatra sy misy vokatra mazava ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro ka toy ireto manaraka ireto ny ampahany amin’izany.
Hatramin’ny taona 1981 dia nahatratra $1,84 miliara ny fanohanana ny sehatry ny fahasalamana sy fanampiana maha-olona. $136 tapitrisa natokana ho an’ny fahasalamana nandritra ny taona 2026–2030 ; $89 tapitrisa ho an’ny fanampiana maha-olona amin’ny taona 2026, amin’ny ankapobeny dia $100–$120 tapitrisa isan-taona no laniana amin’ireo sehatra ireo.
Raha ampitahaina, ny fandaharan’asa rehetra an’ny ONU dia manodidina ny $300 tapitrisa isan-taona, ka 20–30% amin’izany dia avy amin’ny fandraisan’anjaran’ny Etazonia ihany koa.
Ny lafiny fiarovana sy fampiharana lalàna dia mihoatra ny $1,6 tapitrisa no natokana ho fanampiana ara-piarovana tamin’ny taon-dasa, ary mihoatra ny $450.000 nandritra ny 10 taona hanofanana manam-pahefana Malagasy mihoatra ny 200.
Ny sehatry ny fanabeazana sy fanofanana indray dia mihoatra ny $3,8 tapitrisa no laniana tao anatin’ny 5 taona ka malagasy mihoatra ny 150 no nahazo fiofanana avo lenta tany Etazonia, ary mpampianatra anglisy an’arivony no voaofana, ka nahasoa mpianatra mihoatra ny 500.000.
Ny varotra sy toekarena (AGOA) dia nahafahana namorona asa an’arivony, izay nahafahan’i Madagasikara nanondrana $700 tapitrisa tamin’ny 2025 ho any Etazonia. Ny AGOA dia nanohana asa mihoatra ny 500.000, ka 70.000 amin’izany ao amin’ny sehatry ny lamba.
Raha ampitahaina, ny fanondranana any Rosia dia manodidina ny $4 tapitrisa isan-taona, izany hoe 150 heny latsaka.
Araka izany dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena rehetra i Madagasikara, ny tanjona dia ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy tombontsoa amin’ny alalan’ny mangarahara.
Naneho fankasitrahana feno ny Filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny fiaraha-miasa efa misy amin’i Etazonia, ary manantena ny fitohizan’izany sy ny fanamafisana azy amin’ny ho avy. Araka ny nambarany hatrany dia misy ireo tetikasa sasany mbola mitaky fandinihana lalina toy ny raharaha Base Toliara.
Ny fitsipika dia mazava hoy RANDRIANASOLONIAIKO Siteny: “Tsy misy fiaraha-miasa tokony hanimba na hampihena ny tombontsoan’ny firenena.”
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).