Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Infirmiera izay natao tao Mangoro ny 12 mey 2026 ny Réseau Parlementaire National pour la Justice Reproductive niaraka tamin’ny IPAS Afrique Francophone ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ny ministeran'ny fahasalamana, FISA, ASOS, CU Moramanga.
Nanome voninahitra ny hetsika ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny Faritany Toamasina, Fidèle Razara Piera. Nanotrona azy ihany koa ireo solontenan’ny solombavambahoaka izay samy naneho ny fanohanan’ny parlemantera amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka sy ny zo ara-pananahana eto Madagasikara.
Nandritra izany dia nisy ny fampahafantarana sy fanentanana mikasika ny lalàna momba ny Zo sy ny Fahasalamana ara-pananahana ho an’ireo vahoaka tonga nanatrika ary nisy ihany koa tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana maro toy ny famorana, fitiliana diabeta, fitiliana IST/VIH, fitiliana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, fandrindrana ny fiterahana, échographie, fizaham-pahasalamana ankapobeny, vaksiny Mpox ary kinésithérapie. Vahoaka maro no tonga nisitraka ireo tolotra ireo.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).