Notanterahina androany alarobia 20 mey 2026 teto anivon’ny Antenimierampirenena eto Tsimbazaza ny fivorian’ny Parlemanta Rezionalin’ny Tanora eto amin’ny Ranomasimbe Indianina (PRJIO). Nitarika ny fivoriana nandritra izany Ramatoa Mpampakateny lefitra eto amin'ny Antenimierampirenena RAHARIMANARIVO Voahanginiaina, solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Atsimondrano.
Nankatoavina nandritra ny fivoriambe ny tolom-pehin-kevitra roa (02) novolavolain’izy ireo mikasika ny fandriam-pahaleman’ny fitaterana an-dranomasina, ny fitantanam-panjakana sy toe-karena manga, ary ny fanorenana hoavy maharitra sy mamiratra ho an’ny tanora.
Anisan’ny noresahan’ny Dr Norbert Ibrahim Richard, Sekretera Jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana ny fahalalahana maneho hevitra sy fahazoana vaovao marina sy mari-pototra ho an’ny tanora. Eo koa ny fihainoana ny hetaheta sy ny hevitra aroson’izy ireo.
Ankoatr’izay, mba hampifanakaiky ireo firenena mikambana ao aminy no antom-pisian’ity Parlemanta rezionaly ho an’ny tanoran’ny Ranomasimbe ity, hoy ny Masoivohon’i Lafrantsa misolo tena an’i La Reunion miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud Guillois.
Raha tsiahivina, ny volana Aprily 2025 no nitsangana ity Parlemanta isam-paritra ho an’ny Tanora eo anivon’ny Ranomasimbe Indiana, na ny Parlement Régional des Jeunes de L’Indianocéanie ( PRJOI) izany.