Discours de Madame Christine RAZANAMAHASOA, Présidente de l’Assemblée nationale lors de l’ouverture officielle de la session extraordinaire

Discours de Madame Christine RAZANAMAHASOA, Présidente de l’Assemblée nationale lors de l’ouverture officielle de la session extraordinaire

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Misaotra an’ Andriamanitra hatrany isika fa mbola velon’aina soamantsara indray amin’ity andro nomeny anio ity. Afa-miatrika miaraka soamantsara izao fotoana izao, ka ankasitrahana mandrakariva Izy noho ny fandaharany sy ny fitantanany.

Ny anton’ny fampiantsoana moa dia efa mazava araky ny novakian’ny mpitan-tsoratra teo. Ny hany marihina fotsiny dia zava-dehibe hiankinan’ny fampandrosoana sy hiantohana ny hasin’ny Repoblika ary ny tany tan-dalàna izy ireo raha aravina.

Manentana ny Solombavambahoaka arak’izany mba hampiseho fifantohana indray toy ny efa mahazatra atsika, ary tsy maintsy hampiarahina eto ny adihevitra ara-teknika sy ara-politika, satria mitaky izany miaraka ireto Lahadinika Efatra (04) ireto. Indrindra moa fa ny ho fandinihana ilay Volavolan-dalàna manova ny andininy vitsivitsy ao amin’ny Lalàna 2014-020 tamin’ny 27 Septambra 2014 izay nasiam-panitsiana sy nampian’ny Lalàna 2018-011 tamin’ny 11 Jolay 2018 momba ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mahakasika ny fifidianana sy ny fandaminana eny anivon’izy ireny.

Asa miandry iny, fa raha ny asa vita kosa nandritra izay elanelam-potoana tsy nivoriana izay dia betsaka tokoa, ka tsara ihany raha hanaovana tatitra aminareo Solombavambahoaka namana mpiara-miasa, ary tsy ho diso anjara amin’izany koa ianareo vahiny nasaina.

– Ho fitohizan’ny asa izay iarahan’ny Antenimierampirenena sy ny Focus Development Association, dia nosoniavina ny 03 febroary 2021 tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny fifanaraham-piara-miasa (protocole d’accord) mahakasika ny famolavolana ny « Lalàna mifehy ny fizakàna ny zom-pirenena Malagasy». Izany dia efa natomboka tany Ampefy ny 03 sy 04 desambra 2020 ary nitohy tamin’ny atrikasa natao tany Nosy be Hell ville ny 01 ka hatramin’ny 04 mars 2021. Efa tafapetraka ao amin’ny Biraon’ny Antenimierampirenena moa ny tolo-dalàna mikasika izany ary efa nalefantsika any amin’ny Governemanta mba hahafahany mitondra nyheviny. Ny faniriana dia hiditra amin’ny fandaharam-potoanantsika amin’ny Fotoam-pivoriana ara-potoana amin’ny Volana May izy io. Isaorana eto ireo Solombavambahoaka nahavita izay asa goavana izay. Dingana voalohany ihany anefa ny vita hatreto fa mbola maro ny asa miandry antsika hahavitàna azy hatramin’ny farany.

– Notanterahina ny Alarobia faha-17 Febroary 2021, tamin’ny 10 ora maraina, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fihaonana an-databatra boribory niarahan’ny Antenimierampirenena tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy momba ny “Plan Stratégique de Developpement de l’Assemblée nationale”. Ny tanjona dia mba hananana paik’ady tsara sy mahomby amin’ny fampandrosoana ity Andrimpanjakàna misy antsika ity.

Ny fanirian’ireo mpiara-miombon’antoka fotsiny dia ny mba handraisan’ny Solombavambahoaka anjara bebe kokoa hatrany amin’ny hetsika karakaraina rehetra ary hahavita asa mihoatra lavitra noho ireo teo aloha.

– Mitohy hatrany ny asan’ny Solombavambahoaka amin’ny alalan’ny Visioconférence miaraka amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena misy antsika, toy ny: APF, UIP, FP SADEC, sns…..Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Antenimierampirenena tamin’ny alalan’ireo Solombavambahoaka.

– Nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny fitondran-tena mendrika ny mpiasa sy ny fanajàna ny hasin’ny asa amin’ny fitondran-draharaha-mpanjakana, ireo mpandraharaha avy amin’ny Antenimierampirenena niarahana tamin’ny Miniteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, ny talata 02 febroary 2021 lasa teo.

– Teny Ankadivoribe Soalandy no nanaovan’ny Antenimierampirenena ny fambolen-kazo tamin’ity taona 2021 ity. Ny zoma 19 febroary lasa teo no nanatanterahana izany, koa maro ireo Solombavambahoaka sy mpiasa nanohana ny antso.

– Tao koa ny fandraisan’ny Birao Maharitra ireo Ambasadaoro sy Solontena avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy Fikambanana iraisam-pirenena samy hafa.

– Ny fifampiarahabana isan-karazany noho ny fahatrarana ny taona vaovao moa dia tsy lazaina intsony.

Asa natao ihany, dia zaraina koa ny KIT SANITAIRE hiarovana amin’ny CORONA nokarakarain’ny Birao Maharitra, mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny Solombavambahoaka rehetra.

Eo koa ny “Guide des Députés sur les roles des Assistants et Conseillers parlementaires” hanampy antsika amin’ny fanatsarana ny fampiasana ireo mpiara-miasa amintsika akaiky aty amin’ny Antenimierampirenena sy ireo any amin’ny Faritra nahavoafidy antsika. Hisaorana eto ny mpiara-miombon’antoka EISA niara-niasa tamintsika tamin’izany.

Santionany fotsiny izany rehetra izany fa mbola be miavosa ny vokatra ho avy eo, satria amperin’asa tanteraka isika izao amin’ny fanatanterahana ilay “Plan Stratégique de Développement de l’Assemblée Nationale”.

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny asa moa mandeha ihany, fa ny pôlitika koa tsy azo avela satria io dia isan’ny iray amin’ny antom-pisiantsika Solombavambahoaka, ka tsy maintsy resahina.

Momba ny Politika an-kapobeny eto amin’ny Firenena ary dia: Vokatry ny COVID 19 dia niova oazy ny fandaharan’asa sy ny fomba fiasan’ny Fitondram-panjakàna; ka lasa Fitondrana miatrika olana, Fitondrana manarina no misy ankehitriny, vokatry ny fahavoazana ara-toekarena naterak’io valan’aretina io. Noho izany dia ilaina tokoa ny traikefanareo teknisianina isan-karazany, na ara-pahasalamana izany, na ara-toekarena; hamaha ireo olana vaovao amin’izao fotoana izao. Tsy ireo ihany fa ao koa ireo olana lasa zary tarazo nifandovana teto toy ny olan’ny JIRAMA, KRAOMA, sy ireo fitakiana Sendikaly isan-karazany.

Fa ankoatr’ireo dia mba asiana resaka ihany koa ity olan’ny Anjerimanontolo momba ny vatsim-pianarana ity. Mba jerenareo akaiky moa ry Tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa mitarazoka loatra ka mitady hanimba raha. Moa ve tsy vola efa vonona ny amin’io ka inona no mbola mampitarazoka? Sa hiniana hatao mba hiteraka korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakàna?

Na izany aza, aoka kosa ireo izay mpitaky na ny mpitarika ireny fitakiana rehetra ireny, na Sendika io na antokon’asa na mpianatra na eny anivon’ny fiaraha-monina, mba ho tena fitakiana madio tokoa fa tsy hisy ambadika.  Ny tiana ho lazaina dia ny fanajàna sy ny fanavahana mazava tsara ny fanehoan-kevitra ara-politika sy ny ara-teknika ary ny ara-tsendikaly. Rehefa hanao politika dia aza menatra ny mijoro amin’izany fa zonao tanteraka io, Aza mialokaloka ao ambadik’ireny fitakiana ireny. Rehefa izay mantsy no misy dia lasa sarotra ny famahana ny olana, satria samy mitsinjo ny fotokevitra hijoroany sy ny antoko politika misy azy ny andaniny sy ny ankilany ka ny vaindohan-draharaha indray no mandefitra. Tsikaritra mantsy fa misy tokoa ny mampifangaro io fitakiana io amin’ny pôlitika, eny na tsy izy rehetra ary.

Mahakasika ny Jiro sy ny Rano, dia efa be izay voalaza sy nambara izay. Efa be ny asa natao ary hitam-poko hitam-pirenena izany. Fa ny olona moa mitaky ny mangarahara ka mba te-ahafantatra kosa ny be sy ny maro ny mahakasika ny famatsian-jiro sy rano hoe aizaoaiza izy zao?

Na inona ambara na inona lazaina, dia hita fa miasa ny fitondrampanjakàna e! Efa voakitika avokoa ireo Velirano Telo ambinifolo (13) ary tanteraka ilay hoe: tsy misy adino ny Distrika rehetra fa hanatanterahana asa avokoa.

Mbola raharaham-pirenena ihany dia tsy maintsy resahana kely koa ny mahakasika manokana antsika Solombavambahoaka, satria tena nandray anjara feno eo amin’ny sehatra politika ny namana mpiara-miasa amintsika sasany tato ho ato. Hisaorana izy ireo satria nahafahana nanaporofo indray fa tany miaina anaty demokrasia sy fahafahana maneho hevitra i Madagasikara rehefa voahaja ny Lalàna. Mba hanampiana anareo amin’izay asanareo izay ihany dia adidinay ny mampahatsiahy anareo manoloana ny adidy hiara-manana fa araka ny Lalampanorenana, Andininy faha 102, Andalana faha 3 dia:

« Fivoriana telo andro isam-bolana no atokana ho amin’ny lahadinika izay notapahin’ny Antenimiera araka ny fitarihan’ny vondron’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimiera ; voakasik’izay koa ny vondron’ireo vitsy an’isa ».

Noho izany dia tsy voatery any ivelany na eny an-dalam-be no hanehoan’ny Solombavambahoaka ny heviny fa anjaranareo mpanohatra no mitaky ny fampiharana io voalazan’ny Lalampanorenana io mba hitondrana ny adihevitra ao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena.

Raha mahakasika ny tatitra kosa indray dia ambara eto fa adidin’ny Solombavambahoaka tsirairay no manao izany any amin’ny Distrika nahavoafidy azy ary hamporisihina mihintsy aza. Ilaina hatrany kosa anefa ny fampahafantarana mialoha ny manampahefana any antoerana rehefa misy famoriam-bahoaka satria izay no Lalàna hifampitondrana eto amin’ny tany sy ny Firenena mba hitandroana ny filaminana.

Tsy maintsy hiantohan’ny Solombavambahoaka koa ny fahamarinan’ny Tatitra izay hataony, mba izay tena zava-nisy tokoa no taterina ary aoka tsy hanasoketa ny Solombavambahoaka tsy mitovy hevitra fa samy nomen’ny mpifidy ny fitokisany, ka “samy ajaridin’ny andrin-taniny ary samy olobe amin’izay nihaviany”.

Raha ny momba ny nandaniana ny Volavolan-dàlana mikasika ny teti-bolam-panjakana taona 2021 dia ambara etoana fa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra voafaritry ny Lalàna momba izany ny nandaniana azy iny, toy ny andininy faha-46 LOLF sy ny andininy faha-124 RI). Ny fanapahana raisina na any amin’ny asam-baomiera  na ny votoatin-draharaha mandritra ny fivoriambe kosa dia mifototra amin’ny lalànan’ny maro an’isa izay lany ara-demokratika eo anivon’ny Parlemanta na ny « majorité parlementaire».

Fehiny Tompoko, ho antsika samy Solombavambahoaka dia marina fa samy manana ny firehany ara-politika avokoa ny ato, ary endrika tsara ho an’ny Parlemanta izany. Saingy misy fotokevitra iray kosa tokony hitambarantsika dia ny fifanajàna fa izay ihany no hahafahan’ny olona manaja antsika. Anisan’ny règle d’éthique ny fifanajàna eo amin’ny samy Solombavambahoaka, ary voalazan’ny Fitsipika anatiny mifehy antsika koa. Aoka isika hifanome voninahitra ao anatin’ny fahasamihafàna. Isika rahateo moa samy Malagasy nomen’ny mponina ao aminy ny fitokisany.

Koa mialohan’ny hamaranana izao Lahateny izao dia aoka isika Malagasy rehetra mpiray tanindrazana, indrindra fa isika tompon’andraikitra sy mpanao pôlitika mba samy hiezaka hifehy ny teny avoakany, fa lasa olana eto amintsika ny tsy fahafehezana azy io intsony ankehitriny.

Raha hisy ny fifampiresahana izay misy mitaky ankehitriny, dia io fepetra io aloha no tokony hajaina mialohan’ny zava-drehetra. Misy mitaky mafy moa ny fanovàna ny Governemanta amin’izao, ka hapetraka amin’ny fahendren’ny Filohampirenena ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika io resaka io. Ho vahaolana ve ny fanovana Governemanta? Fa aoka tsy ho hadino kosa anefa fa tsy tokony dikaina na lalovam-potsiny ny Solombavambahoaka fa homena ny hasiny izy amin’ny fahefana nomen’ny Lalampanorenana azy amin’ny fandrafetana ny Governemanta raha hisy izany. Isika Solombavambahoaka rahateo anie olom-boafidy e! ka sarotiny fatratra amin’izay safidim-bahoaka izay.

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Mamerina ny fisaorana sy fankasitrahana ho antsika vahiny manan-kaja rehetra tonga manome voninahitra izao lanonana izao. Ao koa isika Solombavambahoaka tsy an-kanavaka izay hirariana hanam-pahazotoana sy fahasalamana ary fahombiazana eo ampiatrehana ity fotoam-pivoriana ity.

Ho antsika vahoaka kosa dia apetaho hatrany ny arovava orona, hajao ny elanelana sy ny fepetra sakana, fadio ny mitangorongorona. Aoka ho mailo sy hitandrina mandrakariva manolona ity areti-mandoza Corona Virus ity izay tsapa miha-mirongatra tsikelikely tatoato.

Ho antsika mpanao pôlitika, eny an-tanim-boajo no fotoana hifanatrehana sy hifandresen-dahatra amin’ireo mpifidy ireo, rehefa tonga ilay fotoana, ho an’izay mbola vonona sy sahy. Ny vahoaka amin’izao rahateo efa miha-matotra ara-tsafidy, ka raha “teo anefa tsy manitra, ka lasa ve vao hamerovero?” Koa eo isika samy mandray ny valin’ny asa tsara nataony ho an’ny Tanindrazana aby, na mpitondra na tsia, satria “raha tsy maheno ny tany, tsy marenina akory ny lanitra”. Koa samia manam-paharetana Tompoko ô!

Misaotra Tompokolahy.

Mankasitraka Tompokovavy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *