Nolanian'ireo Solombavambahoaka nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana nandritra ny Fivoriambe azon'ny besinimaro atrehina androany 21 aprily 2026 teto amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny Volavolan-dalàna laharana faha-023/2025 tamin'ny 08 desambra 2025 mahakasika ny fandraisana an-tsoratra manokana ny fahaterahana ao anatin’ny hetsika fandraketana biometrika faobe.
Ny Fivoriambe dia notarihin'i Filoha lefitry ny Antenimierampirenena miandraikitra ny Faritanin'i Fianarantsoa, Andriamatoa ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa.
Zava-dehibe ny fananana famantarana manokana (identité légale) ho an’ny olom-pirenena tsirairay, zo fototra voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana izany ary mifanaraka amin’ny Tanjona ho an’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD 16.9).
Mbola maro ireo malagasy tsy manana kopia nahaterahana ka tsy afaka misitraka zo fototra toy ny fahazoana kara-panondro na ny fidirana amin’ny raharaham-panjakana. Ho famahana izany olana izany dia natsangana ny tetikasa fandraketana biometrika faobe, izay ampifandraisina amin’ity volavolan-dalàna vaovao ity.
Ity volavolan-dalàna ity dia mikendry ireo olom-pirenena feno 18 taona ary tsy misy fe-potoana fa mandra-pahavita ny tetikasa. Atambatra ireo ezaka amin'ny fisoratana anarana biometrika faobe sy fametrahana rafitra manokana ho fampanarahan-dalàna ireo fahaterahana tsy mbola voaraikitra ara-potoana ary ahafahana manome kopia nahaterahana manan-kery ara-dalàna.
Mba ho fiarovana amin'ny mety hisian'ny hosoka dia misy fepetra noraisina toy ny fampidirina ny andraikitry ny Lehiben’ny Fokontany amin’ny fanamarinana ny antontan-taratasy, ny fitondrana vavolombelona ary ny fametrahana sazy henjana ho an’izay manao fanambarana tsy marina. Nohamafisina ihany koa ny fanatsarana ny rafitra nomerika hisorohana ny anarana miverimberina, ary ny fanofanana ireo mpiasa eny ifotony.
Marihina fa tsy midika fanomezana zom-pirenena avy hatrany anefa izany fisoratana anarana izany, fa mijanona ho dingana fanamafisana ny maha-izy azy ara-dalàna fotsiny.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).