Nandray delegasiona avy amin’ny Repoblika Federaly Alemana, notarihin’ny iraka manokana Andriamatoa Wolfgang Dold, niaraka tamin’ny Masoivohon’i Alemana Andriamatoa Olivier Knoerich androany alatsinainy 20 aprily 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny Filoha Lefitra misahana ny faritanin’Antananarivo, Andriamatoa Ralambozafimbololona Razafitsimialona Andriatsivoafetra , izay misolo toerana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, niaraka tamin’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Raharaham-bahiny Razafimahatratra Jean Christian sy ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimierampirenena Fandro Diana.
Ity iraka ity dia tafiditra ao anatin’ny fanentanana ho fanohanana ny firotsahan’ny Fanjakana alemana ho mpikambana tsy maharitra ao amin’ny Filankevitry ny Fandriampahalemana ao amin’ny Firenena Mikambana, izay hatao amin’ny volana jolay ho avy izao ny fifidianana. Araka ny nambaran’ny Filoha mpisolo toerana eto amin’ny Antenimierampirenena, dia tsara hatrany ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Alemana. Noho izany dia heveriny fa tsy tokony hisy olana ny amin’ity firotsahan’i Fanjakana Alemana ity, ka hambarany sy horesahiny amin’ireo “manam-pahefana mahefa” izany. Mitovy amin’izay ihany koa ny hevitry ny Filohan’ny Vaomieran’ny Raharaham-bahiny eto amin’ny Antenimierampirenena.
Ankoatra izay, ny Masoivohon’ny Repoblika Federaly Alemana, raha nanasongadina ny fanohanan’i Alemana ny fizotry ny fanavaozana iainan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, dia nilaza ny fanirian’izy ireo “hamerina ary indrindra hanamafy” ny fifandraisana fiaraha-miasa eo amin’i Alemana sy Madagasikara. Momba izany, ny andaniny malagasy dia nanolotra soso-kevitra azo arahina toy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny solombavambahoaka, ny fanampiana amin’ny lafiny fotodrafitrasa, ary koa ny fanokafana ny tsena sy ny varotra na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena na anatiny. Nohamafisin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fandraisana mitovy ny mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatry ny varotra.
Manamarika ny Filohan’ny Vaomieran’ny Raharaham-bahiny eto amin’ny Antenimierampirenena fa liana tokoa tamin’ny lohahevitra momba ny fitsinjaram-pahefana izay isan’ireo andry lehibe efatra amin’ny fanohanan’i Alemana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit (GIZ)
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).