Nisokatra androany talata 05 Mey 2026 tamin’ny 10 ora atoandro ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny taona 2026 teto amin'ny Lapan'i  Tsimbazaza. Notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena  Andriamatoa Siteny Thierry Randrianasoloniako ny lanonam-panokafana.

Nanome voninahitra ny fotoana ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC), ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI), ny Filohan’ny Filankevitra Ambony miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana Tan-dalàna (HCDED), ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Filohan’ny Fitsarana avo, Ramatoa Mediatioran’ny Repoblika, ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena, ireo Solombavambahoaka, ny Filohan’ny Delegasiona manokan’Antananarivo ary ireo olo-manankaja sivily sy miaramila maro.

Nandritra izany dia notanterahina ny fandraisana sy fanolorana ny samboady ho an’ireo Solombavambahoaka vaovao, dia Andriamatoa HERINIAINA Tia Solofomanga, Solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga voalohany; Andriamatoa RAMANANARIVO Samoela Miharisoa, voafidy tao Antananarivo VI ary Andriamatoa RAMBOARIVELO Andrianantenaina Jocelyn Willy, voafidy tao Antananarivo III.

Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny tanjon’ity fivoriana ara-potoana ity dia ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana, ireo volavolan-dalàna isan-karazany, ny fanolorana tatitra momba ny fandaharan’asan’ny Governemanta ary ny fanatanterahana ny fihaonana arahim-panotaniana eo amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka.

Nasongadiny fa na dia maro aza ireo zava-bita vitan’ny Fitondrana Fanavaozana, mbola betsaka ny asa miandry, indrindra eo amin’ny fanatsarana ny fandriam-pahalemana, ny fahasalamana, ny fanabeazana ifotony sy ny fampianarana ambony, ny fanamboaran-dàlana sy fotodrafitrasa, ary ny fanarenana ireo orinasa stratejika toy ny SECREN sy FCE, ary ny fanatsarana ny seranan-tsambon’i Manakara izay mitaky fandraisana fanapahan-kevitra haingana sy fanarenana tena izy ary mila fahasahiana.

Notsindriany ihany koa ireo fanontaniana lehibe mila valiny mba hanamafisana ny mangarahara, anisan’izany ny fitantanana ny rano sy ny herinaratra mandritra ny vanim-potoana main-tany, ny fanenjehana ireo tompon’andraikitra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny fiakaran’ny vidin-tsolika vokatry ny ady any ivelany, ny famerenana ny vola amin’ny Faritra mpamokatra lavanila, ary ny fitantanana ny tahirim-bolan’ny FER.

Nambara fa hanomboka tsy ho ela ny asan’ireo Vaomiera parlemantera mpanao famotorana miisa fito, mikasika ny sehatra samihafa toy ny Air Madagascar, Ambatovy, Base Toliara, ny fitantanana ny zotran-dalamby, ny JIRAMA ary ny QMM. 

Nanamafy ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa tsy azo ekena intsony ny fanilihan’andraikitra eo amin’ny fanatanterahana ny lalàna sy ny tetikasa, ary ilaina ny vokatra hita maso ho an’ny vahoaka.

Mikasika ny fitsinjaram-pahefana dia nambarany fa mbola lavitra ny tena fampiharana izany eto Madagasikara, ka ilaina ny fahavononana sy fahasahiana ara-politika. Noho izany, dia napetraka ho laharam-pahamehana ny fandinihana sy fandaniana lalàna vaovao momba ny fitsinjaram-pahefana tena izy, izay tsy maintsy ho vita mandritra ity fivoriana ity.