Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany, alatsinainy faha-4 mey 2026, ny Masoivohon’ny Fanjakan’i Maroc miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Mohammed BENJILANY. Nifampiresaka sy nifanakalo hevitra momba ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta izy ireo nandritra izany fihaonana izany.
Voaresaka manokana nandritra ny dinika ny sehatra maro iaraha-miasa, indrindra ny lafiny ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-pahasalamana. Anisan’ireo firenena afrikana mpiara-miombon’antoka akaiky amin’i Madagasikara i Maroc, izay manohana amin’ny fomba mivaingana ireo tetikasa fampandrosoana, toy ny fananganana sy fanatsarana fotodrafitrasa ara-pahasalamana, anisan’izany ny ao amin’ny distrikan’Antsirabe, izay antenaina hitondra fandrosoana lehibe ho an’ny mponina.
Marihina fa efa ela no nisian’ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-pirahalahiana teo amin’i Madagasikara sy i Maroc, izay miorina amin’ny fifanajana sy ny firaisankina. Ity fifandraisana akaiky ity dia hita taratra amin’ny fifampizarana traikefa, ny fanohanana ara-teknika ary ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny tanora Malagasy, ka manamafy hatrany ny fihavanana sy ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).