Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko ny 4 mey 2026 teto amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny Mpandrindra maharitra ao amin’ny rafitry ny Firenena Mikambana, Andriamatoa Anthony Ngororano.
Nohamafisin’Andriamatoa Anthony Ngororano fa vonona hatrany ny Firenena Mikambana hanohana an’i Madagasikara amin’ny dingana fanavaozana (refondation), ho fanatrarana ny fampandrosoana maharitra sy milamina.
Notsindrian’ny Filohan’ny Antenimierampirenena kosa ny anjara toerana lehibe raisin’ity andrim-panjakana ity amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fanavaozana ao anatin’ny fe-potoana 24 volana. Nambarany fa efa misy ny fandrosoana, toy ny famatsiam-bola ho an’ny fanadiovana ny lisi-pifidianana sy ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izay iriana indrindra andraisan’ny vehivavy, ny tanora, ny tantsaha ary ny olom-pirenena anjara. Nanamafy ihany koa izy fa ilaina ny Lalàmpanorenana matanjaka sy maneho ny safidin’ny rehetra.
Nifantoka ihany koa ny resaka tamin’ny fanamby ara-tsosialy, toy ny rano, herinaratra, lalana, fambolena, angovo fa indrindra ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny Faritra Atsimo.