Nanatanteraka atrikasa momba ny famatsiam-bola mikasika ny fahafahana misitraka ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana eto Madagasikara, ireo mpikambana avy amin’ny Forum Parlementaire Européen avy any Finlande, France, Royaume-Uni ary Espagne, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka malagasy, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Nandritra ny dinika dia naseho fa misy ny fandrosoana, indrindra ny fiakaran’ny tahan’ny fampiasana fitaovana fanabeazana aizana maoderina. Na izany aza, mbola goavana ny fanamby. Mbola avo ny tahan’ny fahafatesan’ny reny ary mbola betsaka ireo filàna tsy voavaly amin’ny fandrindrana ny fiterahana, miaraka amin’ny fitomboan’ny vohoka tsy nirina izay mahatratra 120 000 isan-taona.
Eo amin’ny lafiny famatsiam-bola, hita fa mbola miankina betsaka amin’ny fanampiana avy any ivelany i Madagasikara, na dia efa mihena izany amin’izao fotoana izao. Voalaza ihany koa fa mbola ambany ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana. Noho izany, nisy ireo soso-kevitra napetraka, toy ny fampitomboana ny loharanom-bola anatiny, ny fampidirana rafitra famatsiam-bola vaovao, ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, ary ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny fampiakarana ny tetibola ho an’ny fahasalamana.
Hisy ny fivoriana iarahana amin’ireo solombavambahoaka amin’ny volana aprily ho fanomanana ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera manaraka.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).