Tanterahina any Washington, mandritra ny Spring Meetings karakarain’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, ny fihaonamben’ny "Réseau Parlementaire de la Banque Mondiale et du FMI" ny 13 ka hatramin'ny 18 aprily 2026.
Misolotena ny Antenimierampirenena malagasy amin’izany ny Solombavambahoaka RABENIRINA Mamy, mpikambana ao anatin’ity tambajotra ity.
Ity fihaonambe ity dia sehatra iray hifanakalozan-kevitra sy handinihana lohahevitra mifandraika amin’ny toe-draharaha ara-toekarena maneran-tany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ireo firenena mpikambana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola, ary ny fanatsarana ny andraikitry ny parlemanta tsirairay.
Anisan’ny ifantohana amin’izany ny fanaraha-maso sy fanombanana ny asan’ny mpanatanteraka, ary ny famolavolana lalàna mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny fampandrosoana.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).