Tontosa ny alakamisy 09 aprily 2026 teo ny fivorian’ny Vondron’Asa Nasionaly (Groupe de Travail National) misahana ny Fahasalamana sy Zo ara-pananahana (SDSR) ary ny ady amin’ny VIH/Sida eto anivon'ny Antenimierampirenena.
Nifantoka indrindra tamin’ny ady amin’ny fampanambadiana ankizy sy ny fisorohana ny VIH/Sida ny laha-dinika izay natao. Napetraka ho tanjona manokana ny fanamafisana ny lalàna, ny tetibola ary ny fanaraha-maso ataon’ny Parlemantera mifandraika amin'izany.
Ny GTN dia manamafy hatrany ny andraikiny eo amin’ny fampifandraisana ireo mpiaramiombon’antoka rehetra sy ny fanohanana ireo hetsika ho fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny tanora.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).