Gaborone, Botswana, 27 – 29 martsa 2026
Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny Vaomiera maharitra momba ny Fampandrosoana ny Olona sy ny Sosialy ary ny Fandaharanasa manokana (HSDSP) ao amin’ny Forum Parlementaire SADC ny Antenimierampirenena malagasy.
Nisolontena an’i Madagasikara tamin’izany ny Solombavambahoaka Fiarovana Lovanirina Célestin, izay nandray anjara tamin’ny dinika mikasika ny lohahevitra : « Fampiasana ireo rafitra sy fomba fiasa ao amin’ny SADC hanatsarana ny fanabeazana sy ny asa ho fampandrosoana ny ho avy ».
Ny adihevitra dia nifantoka tamin’ny zava-bita sy ny fanamby amin’ny fampiharana ny momba ny fanabeazana sy ny asa, ny maha zava-dehibe ny fananana olona hiasa, ary ny faharefoan’ny tanora sy ny vehivavy ary ny zokiolona.
Nandritra ny famelabelaran’ny solontenan’ny Antenimierampirenena dia nasongadiny nyezaka eo amin’ny fanabeazana, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika isam-paritra, sy ireo fanamby, indrindra amin’ny kalitaon’ny fanabeazana, ny asa ary ny famatsiam-bola.
Nofaranana tamin’ny fifampidinihana niarahana tamin’ireo sendika, mpampiasa, ary fikambanana sivily ny fivoriana, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana anjaran’ny rehetra.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).