Laharam-pahamehana ho an’ny fanavaozana sy ny fitantanana an’i Madagasikara ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny firenena, eo amin’ny lafiny sosialy, sy fandraharahana ary ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Manoloana izay indrindra ny fitohizam-piaraha-miasa eo amin’i Allemana sy i Madagasikara, araka ny dinika nifanaovan’ny Masoivohon’i Alemana miasa sy monina eto amintsika, Andriamatoa Oliver KNOERICH sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny Thierry RANDRIANASOLONIAIKO androany 18 Martsa 2026 teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.
Miroso hatrany ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Anisan’izany ny fampisitrahana rano madio ho an’ny mponina ao anatin’ny faritra rehetra, ny fanenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny ezaka atao manoloana ny olan’ny fahatapahan-jiro izay efa nahitam-bahaolana, ka isan’ny efa nisitraka izany ny teo anivon’ireo Oniversite.
Apetraka ny hoe: mangarahara sy fanjakana tsara tantana, hoy ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Vonona hifanohana amin’izany ny firenena Alemana, araka ny namafisin’ny Masoivohony.
Amin’ny maha parlemanta ny Antenimierampirenena, apetraka ny fiarovana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola, na "investisseur" na ny eto an-toerana izany, na ny avy any ivelany. Hovahana ireo sakana, ka samy ahazo ny tombotsoany na i Madagasikara na i Alemana manoloana izany.
Tanjona ny hivahan’ny olan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny sy ny fanatsarana ny fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny namafisin’ny roa tonta.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).