Nisokatra androany alatsinainy 13 aprily 2026 tamin'ny 9 ora maraina ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany ho an'ny taona 2026 ho an'ny Antenimierampirenena araka ny Didim-panjakana laharana faha 2026-927 ny 08 aprily 2026 izay notarihin'ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO. Ny lahadinika dia ny fanoloran'ny Praiminisitra ny fandaharan'asa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny Fanavaozana, ary ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna laharana 023/2025 tamin'ny 8 desambra 2025 momba ny '' Fisoratana anarana biometrika faobe ''. Tonga nanome voninahitra ity lanonam-panokafana ity ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta, ireo mpikambana ao amin'ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena sy ireo Solombavambahoaka tonga maro , ny Filohan'ny HCC , ny Filohan'ny HCDDED , Ramatoa Mediatioran'ny Repoblika , Ramatoa Ben'ny tananan'Antananarivo mpisolo toerana sy ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila maro. Fiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026 no nanombohan'ny Filohan'ny Antenimierampirenana ny fandraisam-piteneny sy niarahaba ny Praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta vaovao ary nirary azy ireo hahavita be sy tsy handiso fanantenana ny nanendry sy ny vahoaka malagasy. Nandritra ny lanonam-panokafana no nandraisana sy nanolorana ny samboady ho an'ireo Solombavambahoaka vaovao : SYLVAIN Claude Emile ho an'ny Distrikan'Antsiranana I, HERINIAINA Tia Solofomanga ho an'ny Distrikan'i Mahajanga I , MAHARANTE Rakotonandrasana Jean de Dieu Benjamin ho an'ny Distrikan'i Toliara I , MANANKO Jérôme ho an'ny Distrikan'Analalava, MENA Honaisiford Edwin ho an'ny Distrikan'i Mitsinjo, RANDRIANARISON Rivo Setra ho an'ny Distrikan'i Soavinandriana. Nasian'ny Filohan'ny Antenimierampirenena resaka fa Madagasikara dia fanjakana tan-dalana , miorina amin'ny Lalampanorenana, atao amin'ny fomba ara-dalana sy demokratika any amin'ny fikaonan-doham-pirenena ny fanovana rafitra ka mitaona ny rehetra ho tony tsy ho azon'ny mpanakorotana. Ny Antenimierampirenena dia miasa ho an'ny fahamarinana sy andraikitra, ny fandaharan'asa ho atolotra dia iriana hitondra vokatra azo tsapain-tanana ao anaty fe-potoana haingana ary hifantoka amin'ny laharam-pahamehan'ny malagasy.