Nandray ny fitsidihana ara-pomba fanajana natao ny 13 aprily 2026 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina notarihin’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, Andriamatoa Roland Kobia, niaraka tamin’Andriamatoa Olof Skoog, Sekretera jeneraly lefitra misahana ny raharaha politika ao amin’ny Service européen pour l’action extérieure, ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko. Nanatrika izany ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny Antenimierampirenena, Ramatoa Diana Fandro.
Nifantoka tamin’ireo lafiny lehibe mifandraika amin’ny fanavaozana eto Madagasikara ny dinika, ka nanamafy ny Vondrona Eoropeana ny fanohanany izany dingana izany sy ny maha-mpiara-miombon’antoka azy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Etsy ankilany, nanambara ny fahavononan’i Madagasikara hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ny Filohan’ny Antenimierampirenena, sady nanasongadina ny fijoroan’ny firenena ho tsy miandany amin’ny toe-draharaha jeopolitika ankehitriny.
Noresahana ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fampiasam-bola, manoloana ny fahalianan’ireo mpampiasa vola eoropeana mihamaro. Ho setrin’izany dia nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa hisy fanavaozana ara-dalàna hatao mandritra ny fotoam-pivoriana manaraka, anisan’izany ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola sy ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna amin’ny sehatry ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany, mba hampiroboroboana ny fifaninanana sy hiantohana ny fiarovana ny fampiasam-bola. Nohamafisiny ihany koa fa tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa mijoro hatrany ny Lalàmpanorenana ary mandeha ara-dalàna ny andrim-panjakana rehetra.
Farany, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fikaonan-doham-pirenena andraisan’ny rehetra anjara ny roa tonta, ao anatin’izany ny sokajin’olona rehetra, indrindra ireo any amin’ny faritra lavitra, ny vehivavy ary ny tanora. Ity fomba fiasa ity dia mikendry ny hanamafy ny fitoniana ara-panjakana sy ny fandraisan’andraikitra iombonana. Nohamafisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena manokana ny anjara toerana lehibe ananan’ny tanora, indrindra ny Gen Z, ka nanentana azy ireo hiray hina sy handrindra bebe kokoa ny fanehoan-keviny, mba hahafahan’izy ireo mandray anjara mavitrika sy misy fiantraikany amin’ny famolavolana ny hoavin’ny firenena.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).